Nydian'ny Lehilahy hendry iray: Angano ho an'ireo Mpianatra Teny Anglisy
(The Journey of a Wise Man: A Fable for English Learners)
1 Taloha ela be, nisy lehilahy hendry iray nonina tany an-kavoana. Ny tany dia mahafinaritra. Nefa mandrakariva sarotra ny mahita sakafo ampy.
1 A long time ago, there was a wise man living in a mountain country. The country was beautiful. But it was always difficult to find enough food.
2 Ny mponina teny amin'ny havoana dia nanapa-kevitra mba hiara-mandeha ho eny amin'ny tany lemaka. Rehefa nanomboka niempo ny ranomandry, dia nangonin'izy ireo avokoa izay rehetra nananany ka nataony tao anatin'ny kalesiny. Niaraka tamin'ny fanantenana nomban'ny alahelo, no nandaozan' ilay lehilahy hendry sy ireo mpifanolo-bodirindrina taminy ny tranony teny amin'ny havoana.
2 The people of the High Country decided that they would travel together to the Low Country. When the snow began to melt, they packed all they owned into their wagons. With anticipation mixed with sadness, the wise man and his neighbors left their High Country homes.
3 Nahatsikaritra zavatra hafahafa nitranga fotoana fohy taorian'ny niaingany amin'izao dia izao ilay lehilahy hendry. Tamin' ny nandehanan'izy ireo isan'andro, dia nanomboka nihenjana ny tànany havanana. Arakaraky ny nadehanany nanalavitra ny tany an-kavoana, no nampahalemy io tànany io. Zavatra telo no nampieritreritra azy. Voalohany, mandrakariva ny tànany dia tsapany ho farany malemy rehefa mijanona amin'ny tanàna iray izy ireo. Faharoa, tsikariny koa fa amin'ny alina rehefa mivory manodidina ny afo mba hifampiresaka ny amin'ny tenany ireo mpandeha avy any amin'ny havoana ireo, dia mihamatanjaka indray ny tànany.
3 The wise man noticed something strange taking place soon after they began their journey. As they traveled day after day, his right arm began to feel stiff. The further they traveled from the High Country, the weaker it became. Three things puzzled him. First, his arm always felt the weakest whenever they stopped in a village. Secondly, he noticed that when the travelers from the High Country gathered around a fire at night to talk among themselves, his arm became strong again.
4 Nampiasa saina azy indrindra ny zavatra fahatelo hitany. Rehefa ataony ao an-damosiny ny tànany, dia tsy tsaroany ho henjana sy tsy azo ampiasaina intsony izany.
4 His third discovery puzzled him the most. When he put his arm behind his back, it no longer felt stiff and useless.
5 Indray andro ity lehilahy hendry ity dia taitra. Raha niodina tamin'ny fiolahana iray teny amin'ny làlana eny amin'ny havoana iny ny kalesiny, dia nijery ireo kalesin'ny namany tery alohany izy. Hitany koa fa maro ireo namany no manao ny tànany iray ao an-damosiny. Rehefa nijery akaikikaiky kokoa izy, dia hitany fa ny sasany amin'ireo efa antitrantitra dia namatotra mihitsy ny tànany eo amin'ny toerany aza.
5 One day the wise man was startled. As his wagon rounded a bend in a high mountain road, he looked down on his neighbors' wagons ahead of him. He realized that many others were also holding an arm behind their back. As he looked more closely, he saw that some older people had even tied their arm in place with a rope.
6 Nahoana, hoy izy tamin'ny fahagagany, no izany no mitranga?
6 Why, he wondered, was this happening?
7 Tonga teny amin'ny tany lemaka ihany izy ireo nony farany. Nafana ny andro. Ny saha dia hamokatra voa ary ny ala dia afaka hanome azy ireo ny hazo ho amin'ny tranony. Manome fampanantenana ny fiainana. Fampananatenana, marina izany, afa-tsy ny amin'ny tànan'izy ireo malemy. Heno ho honohono fa ny rivotra eny amin'ny tany lemaka no mahatonga izao fahalemena mahavariana izao. Ny sasany amin'ny olona aza dia miteny mihitsy fa mila mianatra miaina miaraka amin'izao fahalemena izao izy ireo raha te-hipetraka eny amin'ny tany lemaka.
7 At last they reached the Low Country. The weather was warm. The fields would produce grain and the forests would supply lumber for their houses. Life looked promising. Promising, that is, except for their weak arms. It was rumored that the Low Country's air caused this strange weakness. Some of the people even said they must learn to live with this weakness if they wanted to stay in the Low Country.
8 Nanomboka niasa ireo lehibe sy ny ankizy. Nodioviny ny tany, dia namboly zavatra izy, ary nikarakara koa ny hazo hanamboarany ny trano vaovaony. Nanjaitra karazan'akanjo vaovao iray izay afaka mihazona ny tànany tsy afaka miasa ny mpanjaitra iray avy tany amin'ny havoana. Nasiany hoditra koa izany akanjo izany mba hahazoan'ny soroka koa manosika ireo entana mavesatra. Nefa na dia efa misy ity akanjo vaovao ity aza, dia mbola miadana ihany ny asa satria tànana iray ihany no azon'ny tsirairay ampiasaina.
8 The adults and children set to work. They cleared the land, planted crops, and prepared lumber to build their new homes. A High Country tailor sewed a new kind of coat that would hold the useless arm in place. He also put leather on the coat so the shoulder could push heavy loads. Even with the new coat, however, work was slow because everyone used only one arm.
9 Dia nahatsikaritra zavatra iray hafahafa indray ilay lehilahy hendry. Voalohany, tsikariny fa na dia miteraka fanaintainana ho azy ireo izany, tsy ela kosa ireo ankizy dia nanomboka nampiasa indray ny sandriny malemy. Faharoa, tsikaritr'ilay lehilahy hendry fa rehefa mivory miaraka ao amin'ny tranony voalohany ireto mponin'ny tany havoana ireto, ary idiny ny varavarambe sy ny varavarankely rehetra, dia miverina indray amin'ny tànany malemy ny tanjaka eny fa na dia ho an'ireo antitra sy ireo vehivavy aza izany. "Azo antoka", hoy ny maro,"fa manaporofo ny tsy maha ara-dalàna ny rivotra ety amin'ny tany lemaka izany". Maro no manaiky fa ny hany vaha olana dia ny manamboatra trano mafy mba hahazoana misakana ny rivotry ny tany lemaka ho tavela any ivelany. Nefa vao mainka very hevitra ilay lehilahy hendry satria ireo ankizy dia toa vao mainka mihamatanjaka arakaraky ny ilalaovany sy iasany any ivelany eny amin'ny rivotry ny tany lemaka.
9 Again, the wise man noticed a strange thing. First, he noticed that--even though it caused them pain--the children soon began using their weak arm again. Secondly, the wise man noticed that whenever the High Country people met together in their first buildings, if they shut all the doors and windows, strength returned to the arms of even the oldest men and women. "Surely," most said, "this proves that the Low Country air is at fault." Most agreed that the only solution was to build houses so strong that all Low Country air could be kept outside. But the wise man was puzzled most because the children seemed to become stronger while playing and working outside in the Low Country air.
10 Nijery ireto mpiara-monina taminy tany an-tany havoana nanamboatra ny tranony tamin'ny tànan' ila ihany ilay lehilahy hendry. Nanomboka natahotra ny amin'ny fiainan'ireto olona ireto izy. Ilay akanjo vaovao dia nanampy azy ireo hiasa haingana kokoa amin'ny tànana iray. Nefa ho tonga ny ririnina ary na ny trano na ny vokatra dia mbola tsy vonona raha samy manohy ny asany amin'ny tànana iray ao an-damosina ny tsirairay.
10 The wise man watched his High Country neighbors trying to build their houses while using only one arm. He became fearful for his people's welfare. The new coat helped them work faster with one arm. But winter was coming and neither the houses nor the crops would be ready if everyone continued to work with one arm behind their back.
11 Nahazo lesona tamin'iretoankizy ilay lehilahy hendry. Fantany fa na dia maharary aza ny fampiasana ny tànany malemy hanao asa mafy dia ny fampiasana izany ihany no mahatonga io ho matanjaka indray. Koa satria ny ririnina efa ho tonga, dia fantany fa tsy mahazo mijanona tsy hanamboatra ny tranony izy mba handany ny fotoanany hiezaka hanatanjaka ny tànany indray. Nefa fantany koa fa tsy ho vitany aloha ny ririnina ny tranony raha tsy mampiasa ny tànany roa izy. Nanapa-kevitra ilay lehilahy hendry fa raha tiany ho vita alohan'ny ririnina ny tranony, dia mila mandany fotoana vitsivitsy isan'andro izy mba hanatanjahany ny tànany amin'izay dia afaka mahavita ny tranony haingana izy.
11 The wise man learned a lesson from the children. He realized that--even though it was painful--using his weak arm for hard work was the only way to make it strong again. Because winter was coming, he knew that he could not stop working on his house in order to spend all his time trying to make his arm strong. But he also knew that he could not finish his house before winter unless he used both arms. The wise man decided that if he was to finish his house before winter, he must spend some time each day strengthening his arm so that he could finish his house more quickly.
12 Nandany fotoana isan'andro sady nanatanjaka ny tànany no nanamboatra ny tranony ilay lehilahy hendry. Vitany talohan'ny ririnina ny tranony.
12 The wise man spent time each day both strengthening his arm and working on his house. He finished his house before winter.
13 Ny sasany tamin'ireo mponina tany amin'ny havoana dia maty tamin'io ririnina io satria ny ranomandry dia tonga talohan'ny fanangonan'izy ireo ny vokatra sy talohan'ny fahavitan'ny tranony. Niasa miadana isan'andro izy ireo satria natahotra ny hijanona tsy hanamboatra ny tranony maharitra mba hanatanjaka ny tànany malemy.
13 Some High Country people perished that winter because the snow came before their crops were harvested and their houses finished. They had worked slowly every day because they were afraid to stop working on their houses long enough to strengthen their weak arm.
14 Raha monina ao Amerika ianao ka tsy mahay miteny Anglisy tsara, dia miaina toy ny manana tànana iray mifatotra ao an-damosinao. Mila miasa ianao mba hanohananao ny ankohonanano. Nefa raha tsy mandany fotoana isan'andro ianao mba hianaranao ny teny Anglisy, dia voafetra mandritra ny androm-piainanao ianao. Spoken English Learned Quickly dia nosoratana mba hahazoanao mianatra any an-tranonao no sady afaka mitazona ny asanao ianao. Raha mianatra ny teny Anglisy ara-dalàna isan'andro mandritry ny enim-bolana ka hatramin'ny taona iray ianao, dia hivoatra be ny fitenenao Anglisy. Afaka mahazo karama ambony, sy hiaina amin'ny fomba mamokatra eo amin'ny faritra misy anao, ary hifampiresaka amin'ireo zanakao ianao, amin'izy ireo mianatra teny Anglisy an-tsekoly .
14 If you live in the United States and cannot speak English well, you are living as though one arm was tied behind your back. You must work to support your family. But if you do not spend time each day learning English, you will be limited for the rest of your life. Spoken English Learned Quickly was written so that you can study at home and still hold a job. If you will regularly study English each day for six months to a year, your English will greatly improve. You will be more able to earn higher wages, live more effectively in your community, and talk with your children as they learn English in school.
|
Spoken English Learned
Quickly
|
The Journey of a Wise Man
|
| Copyright 2004 Spoken Language International (www.FreeEnglishNow.com): The Journey of a Wise Man may be reproduced without written permission provided that it is unaltered and carries this copyright notice in full with the web site address. It may be reproduced in a single language. |